<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>(Maintimolaly) FFPM696</title>
<lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Raha ho faty aho
 Ka handao ny havako
 Ary dia hisaonany,
 Fa handeha hifaly aho ;
 Raha afaka ny aiko,
 Dia ho finaritra aho.

[V3]
 He ! antsoiny aho,
 Ho any an-danitra,
 Dia faly ny foko,
 Sy ravo ny kiboko,
 Fa azoko ny iriko
 Sy nantenaiko ela.

[V4]
 Havelako ny tany,
 Fa efa azoko tokoa
 Ny fifaliam-be ;
 Lovako ny lanitra,
 Dia tsy matahotra
 Ny hafatesana aho.</lyrics>
<hymn_number>696</hymn_number>
</song>